Ireo asa ataoko

Ireto avy ny asa ananako traikefa :

Fandikan-teny an-tsoratra

Ny asa fandikan-teny an-tsoratra no tena manavanana ahy, ary mahafehy sehatrasa maro aho, toy ny varotra, serasera an-habaka, taratasim-panjakana, sns

Fandikan-teny am-bava

Mpandika teny am-bava mahafehy teny Anglisy sy Frantsay ary Malagasy aho, ary afaka manampy izay mila izany, indrindra ho an’ireo hamita iraka mitety faritra eto Madagasikara.

Fandraiketana an-tsoratra

Afaka manao “transcription” ihany koa aho, na amin’ny endrika feo io na horonantsary, ary afaka mandika rakitra an-tsoratra (.SRT) raha mila izany ianao.

Fanitsiana tsipelina

Afaka manitsy sy manatsara lahatsoratra misy diso na tsy manaraka tsipelina aho, na mpandika teny hafa aza no nanao ilay asa teo aloha.

Feo indrana

Fiaraha-miasa amin’olona manana talenta amin’ny feo indrana no ahafahako manatanteraka ity asa ity. Azo antoka tanteraka ny fahafaham-ponao amin’izany.

MTPE

Araka ny lazan’ny “I.A” ankehitriny, azonao atao ny mampiandraikitra ahy asa fandikan-teny mila fanatsarana na “post-édition“. Efa manana traikefa amin’izany aho.

Mila mpandika teny Matihanina amin’ny teny Anglisy, Frantsay ary Malagasy ve ianao?

Inty aho, afaka manampy anao!

Azonao atao ny mandefa mailaka aty amiko amin’ny fetra.odilson@gmail.com na miantso ahy mivantana (raha asa maika) amin’ny laharana 034 80 292 11.